Ireo sokajy amin'ny sampantsampany

Lisitr'ireo hadith

1. Izay nanao sy nanatan-teraka ny fivanianana masina( Hadjy) ho an'i Tompo Allah ka tsy nanao zavatra mirakitra fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any Aminy Izy, dia lasa tahaka ny Andro voalohany izay nahaterahan'ny Reniny Azy Izy amin'izany fotoana izany
عربي Anglisy Ordo
2. “Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
3. Raha misy Olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza Aminy mivantana hoe Tia Azy Izy
عربي Anglisy Ordo
4. “Ny fahotana lehibe dia ny: fampiombonana an'I Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
عربي Anglisy Ordo
5. Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
6. Tsy misy soalat manoloana ny sakafo efa vonina, na ho n'izay poretin'ny loto roa - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
7. Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
8. “Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”
عربي Anglisy Ordo
9. Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika
عربي Anglisy Ordo
10. “Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
11. Hetezo ny volombava ambony ary alavao ny somotra
عربي Anglisy Ordo
12. izay manao ozò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
13. Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
عربي Anglisy Ordo
14. “ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
15. “ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana
عربي Anglisy Ordo
16. Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
17. Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza
عربي Anglisy Ordo
18. Aza atao fasana ny tranonareo, ary aza atao toeram-pivavahana ihany koa ny fasako, fa mivavaha ho Ahy fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo na aiza na aiza misy Anareo
عربي Anglisy Ordo
19. Eny tokoa, fa saro-piaro Allah, ary saro-piaro ihany koa ireo mpino, fa ny fahasaro-piaron'I Allah dia ny fanaovan'ny mpino izay zavatra voarara aminy
عربي Anglisy Ordo
20. Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy
عربي Anglisy Ordo
21. “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
22. “Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana” - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
23. “Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
24. ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'I Allah - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
25. “ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
26. Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny
عربي Anglisy Ordo
27. dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany” - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
28. Izay mihaona amin'I Allah nefa tsy nampitambatra Azy tamin'ny zavatra hafa dia hiditra ao am_paradisa, ary izay mifanena Aminy ka mampifandray fanompoana Azy amin'ny zavatra hafa dia hiditra amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
29. izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
30. Rendrika ireo mpihoam-pefy
عربي Anglisy Ordo
31. Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”
عربي Anglisy Ordo
32. “Hisy mpitondra ka ho fantatrareo sy tsy ho ankasitrahinareo, ka izay mahalala dia ho afaka madio (amin'ny fahotana, na fihatsarambelatsihy), ary izay tsy mankasitraka dia ho voavonjy (amin'ny fiarahana mitsokombakomba), fa izay mankasitraka sy manaraka kosa
عربي Anglisy Ordo
33. “Tsy eken’I Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)” - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
34. Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
35. Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah)
عربي Anglisy Ordo
36. Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa.
عربي Anglisy Ordo
37. Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
38. Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe - 8 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
39. “Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe - 8 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
40. Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
41. “Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”
عربي Anglisy Ordo
42. “Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
عربي Anglisy Ordo
43. Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa
عربي Anglisy Ordo
44. “Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah
عربي Anglisy Ordo
45. Tsy ilay manolotra fanomezana no atao hoe mpanohy ny fihavanana, fa ny tena mpanohy fihavanana dia ilay miezaka manohy izany raha sendra misy fahatapan'ilay fihavanana - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
46. Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony
عربي Anglisy Ordo
47. Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha
عربي Anglisy Ordo
48. Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha
عربي Anglisy Ordo
49. Izay tian'i Allah omem-pahasoavana dia hotsapainy
عربي Anglisy Ordo
50. Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty
عربي Anglisy Ordo
51. Ny finoana dia fananarana
عربي Anglisy Ordo
52. Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
53. Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
54. Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”
عربي Anglisy Ordo
55. Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
56. Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
57. Ny Islam dia ny fijoronao vavolombelona fa tsy misy tompo afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany, ny fanangananao ny Swalat, ny famoahanao ny ampahan-karena na ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, ary ny fivahiniana masina any Makkat raha manan-katao amin'izany ianao - 32 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
58. Aza tezitra - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
59. Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
60. Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva
عربي Anglisy Ordo
61. “Izay nitondra zava-baovao ato amin’ity raharahantsika ity, izay tsy ao anatiny dia ho lavina
عربي Anglisy Ordo
62. Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
63. O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
64. Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
65. “Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
66. Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany - 10 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
67. Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy
عربي Anglisy Ordo
68. “ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".” - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
69. “Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.W.A) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
70. “Tompo Allah ô, izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka nankasarotra izany tamin'izy ireo dia ankasaroto ihany koa ny momba azy, ary izay nomena fahefana hitantana ny vahoakako ka mora sy tsotra tamin'izy ireo dia ankamorao ihany koa ny momba azy - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
71. “Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
72. “Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
73. Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa
عربي Anglisy Ordo
74. Ny asa tsara rehetra dia fanomezana
عربي Anglisy Ordo
75. Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no rehefa mifanena amin'ny rahalahinao
عربي Anglisy Ordo
76. Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
77. Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa.
عربي Anglisy Ordo
78. Izay manoro làlana amin’ny tsara dia hahazo tahaka ny valisoa azon'ny manao izany
عربي Anglisy Ordo
79. Nanontany ny Mpaminany (SAW) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao
عربي Anglisy Ordo
80. Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo
عربي Anglisy Ordo
81. Tsy azo atao ny mandao (mirafy) ny rahalahiny mihoatra ny telo alina, rehefa mifankahita izy ireo, ary mandà izy roa lahy, mifanome lamosina ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia izay manomboka miarahaba manao ny Salamo - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
82. “ Tsy miditra ny Paradisa izay manapaka ny fihavanana”
عربي Anglisy Ordo
83. “Tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izay mpitondra resaka mampiady. ”
عربي Anglisy Ordo
84. Izay maniry ny hanitatra ny fivelomany, ary ny hanitatra ihany koa ny anjaram-pivelomana, dia aoka izy hihazona ny fifandraisany amin'ireo havany. - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
85. Izay manao Ratsy, dia i Allah no hamaly sy hanisy ratsy Azy, ary izay mametra-tena ho mafy dia ho mafy Aminy i Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
86. Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
87. Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
88. “ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
89. Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha
عربي Anglisy Ordo
90. “ Ny Olona tena tsy Tian’i Tompo Allah indrindra dia ny Olona tsy resy ambava ” - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
91. Ny Teny tena Tian'i Tompo Allah indrindra dia misy Efatra : Voninahitra anie ho an'i Tompo Allah (Sobohànalloahy),fiderana anie hoan'i Tompo Allah (Alhamdo lillàhy), tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Tompo Allah (Là ilàha illalloàhou), ary lehibe indrindra i Tompo Allah (Allah Akbar), tsy maninona na inona na inona amin’ireo no atombokao voalohany.
عربي Anglisy Ordo
92. Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara
عربي Anglisy Ordo
93. Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana
عربي Anglisy Ordo
94. “ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana
عربي Anglisy Ordo
95. “ Teny roa maivana amin’ny lela, nefany tena mavesa-danja eo amin’ny mizana (vato-fandajana), ary tian’Ilay Be famindrampo - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
96. “ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan. ”
عربي Anglisy Ordo
97. Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny Mpanompo iray ny Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo Aminy, ary tsy misy Olona manetry tena eo anatrehan'i Tompo Allah afa-tsy hoe vonona hanandratra Azy avo i Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
98. “ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty ”
عربي Anglisy Ordo
99. Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina
عربي Anglisy Ordo
100. Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, dia Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo
عربي Anglisy Ordo
101. Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
102. “i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
103. Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy
عربي Anglisy Ordo
104. i Mpaminany (S.W.A) dia tsy mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy
عربي Anglisy Ordo
105. Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny". tsara indrindra amin'ny vadiny - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
106. “Fifaliana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”
عربي Anglisy Ordo
107. Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa - 14 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
108. Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany
عربي Anglisy Ordo
109. Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina
عربي Anglisy Ordo
110. Fa ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra
عربي Anglisy Ordo
111. “Ary hoy Allah : Manomeza, ry zanak’i Adama, dia hanome ho anao koa Aho”
عربي Anglisy Ordo
112. Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony
عربي Anglisy Ordo
113. Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho
عربي Anglisy Ordo
114. Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra
عربي Anglisy Ordo
115. Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny - 18 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
116. Ny tsara indrindra aminareo dia ireo izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa - 22 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
117. Izay mijanona amin'ny toerana iray ary avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny", dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pialany amin'izany toerany izany - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
118. Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
119. “Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra Aho.” - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
120. “Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy
عربي Anglisy Ordo
121. Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina” - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
122. Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ody
عربي Anglisy Ordo
123. Ny fepetra tokony ho tanterahana indrindra dia izay fepetra naha-ara-dalàna fahafinaretana
عربي Anglisy Ordo
124. i Mpaminany (S,W,A) no olona tsara toetra indrindra
عربي Anglisy Ordo
125. irak'Allah (S.W.A) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat
عربي Anglisy Ordo
126. “Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorata Al-Baqarah i Satana.” - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
127. Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro
عربي Anglisy Ordo
128. Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
129. Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
130. izay Olona manao fidiovana masina Ouzo ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony
عربي Anglisy Ordo
131. Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany - 8 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
132. Izay Olona namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny - 8 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
133. Raha namoaka vola fandaniana ho an'ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany
عربي Anglisy Ordo
134. Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana
عربي Anglisy Ordo
135. Tsy hamela tady na rojo eo amin’ny vozon’ny rameva raha tsy tapaka - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
136. Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa tompoina ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana Azy dia any amin'ny Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
137. fa ny toetran'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny Koroany
عربي Anglisy Ordo
138. “Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra” - 18 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
139. I Mpaminany (S.W.A) dia mahatsiaro sy midera an'i Allah tamin'ny fotoanany rehetra - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
140. Nandrara ny fanaovana Qaz’aa ny irak’Allah (S.A.W)
عربي Anglisy Ordo
141. ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato
عربي Anglisy Ordo
142. Teo anatrehan'i Oumar izahy ka niteny izy hoe : "Voarara izahay fankasarotana
عربي Anglisy Ordo
143. Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
144. Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany
عربي Anglisy Ordo
145. Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy
عربي Anglisy Ordo
146. Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske
عربي Anglisy Ordo
147. “Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito
عربي Anglisy Ordo
148. i Mpaminany (S.W.A) dia miteny eo anelanelan'ny fiankohofana roa hoe : "Allahomma- ghfirlì, warhamnì, wa à'finì, wahdinì, warzoqnì - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
149. Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo
عربي Anglisy Ordo
150. Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
151. Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”
عربي Anglisy Ordo
152. Nampianatra anay Irak'Allah (S.AW) khoutoubat Al-hàjat - 4 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
153. Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy
عربي Anglisy Ordo
154. Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao
عربي Anglisy Ordo
155. “Raha mihinana ny anankiray aminareo, dia aoka izy hihinana amin’ny tànany havanana, ary raha misotro izy, dia aoka hisotro amin’ny tànany havanana; saria ny Satana dia mihinana amin’ny tànany havia sy misotro amin’ny tànany havia.” - 2 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
156. “Izay miala amin’ny fankatoavana ary misaraka amin’ny vondron'ny maro ka maty, dia maty toy ny fahafatesan’ny olona tamin'ny fotoan'ny fahabadoana
عربي Anglisy Ordo
157. “Izay tonga eo aminareo ka ny raharahanareo rehetra eo ambany fahefan'ny lehilahy iray, ka te handrava ny fahefanareo, na hampisaraka ny fitambaranareo, dia vonoy izy”
عربي Anglisy Ordo
158. “Izay mamono ny mpanao fanekena dia tsy haheno ny hanitry ny Paradisa, ary ny hanitry ny paradisa dia heno hatrany amin’ny halavirana dia efa-polo taona.” - 6 ملاحظة
عربي Anglisy Ordo
159. Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny mpanao kolikoly sy ny mpaka tsolotra amin'ny fitsarana
عربي Anglisy Ordo
160. Izay mitam-piadiana ho aminay dia tsy namanay
عربي Anglisy Ordo