Lisitr'ireo Hadith

1. Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra
عربي الإنجليزية الأوردية
2. Tsy mbola nahita an'ny Mpaminany (S.A.W) nihomehy mafy aho, ka tazana avokoa ny ati-vavany, fa izy kosa dia mitsiky lalandava - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
3. “Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, fa tsy hanisy ratsy azy izany.”
عربي الإنجليزية الأوردية
4. Izay nanohana mpanompo vavy roa mandra-pahatongan'ny fahamatorana, dia izaho sy izy amin'ny andro farany toy izao", ary nanondro ny rantsantanany izy
عربي الإنجليزية الأوردية
5. Raha tsy ho lasa enta-mavesatra amin'ny mpino - na : ho an'ny vahoaka - dia nandidy azy ireo aho hampiasa ny siwak isaky ny hanao Swalat aho
عربي الإنجليزية الأوردية
6. “Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra
عربي الإنجليزية الأوردية
7. “Manatòna ary mialà, ary fantaro fa tsy hisy aminareo ho voavonjy amin’ny alàlan'ny asany.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah, Eny na ianao aza? Namaly izy hoe : “Eny na dia izaho aza, raha tsy Allah mandrotsaka amiko ny famindram-pony sy ny fahasoavany”
عربي الإنجليزية الأوردية
8. Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
9. “Tsy ho lazaiko aminareo va ny momba ny mponin’ny Paradisa? Ny olona malemy fanahy sy manetry tena, raha mianiana amin'IAllah izy dia hovalinay, tsy hambarako aminao ve ny momba ny olon'ny helo : Dia izay miavonavona sy manambony tena
عربي الإنجليزية الأوردية
10. Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana
عربي الإنجليزية الأوردية
11. Ny nofy tsara dia avy amin'IAllah, ary ny nofy ratsy dia avy amin'i Satana, ka raha misy aminareo manonofy izay mampahatahotra azy, dia aoka handrora amin'ny ilany havia izy, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsian'izany, dia tsy hahavita haninona azy
عربي الإنجليزية الأوردية
12. Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
13. Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy - 6 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
14. Nanontany an'i Aisha (R.A) aho, dia hoy aho : Inona no zavatra nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niditra tao an-tranony izy? Dia namaly izy hoe : Amin'ny siwak (fiborosina nify)
عربي الإنجليزية الأوردية
15. Voatonona teo anatrehan’ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy natory nandritra ny alina mandra-maraina, dia niteny izy hoe : “Io dia lehilahy iray izay namanian’ny satana teo amin'ny sofiny roa, na koa niteny hoe : teo an-tsofiny”
عربي الإنجليزية الأوردية
16. Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa
عربي الإنجليزية الأوردية
17. Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty
عربي الإنجليزية الأوردية
18. Aza manaiky ho faty ny iray aminareo afa-tsy efa nanatsara ny heritreriny amin'I Allah izy
عربي الإنجليزية الأوردية
19. “Raha toa ianao ka toy ny voalazanao, dia toy ny nahatonga azy ireo hahatsiaro ho leo, ary mbola manana fanohanana avy amin’I Allah amin’izy ireo ianao, raha mbola manao izany foana ianao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
20. Tsy ho voakasika ny afo mihitsy tongotry ny mpanompo rakotry ny vovoka tamin'ny fanaovana ny asan'I Allah
عربي الإنجليزية الأوردية
21. Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
22. “Ny olona mahatsiaro ny Tompony sy ny tsy mahatsiaro ny Tompony dia ohatry ny velona sy ny maty
عربي الإنجليزية الأوردية
23. Iray amin'ireo zavatra atahorako aminareo ao aorian'ny fiainako dia ny hisokatra ho anareo ny fahafinaretan'izao tontolo izao sy ny haingony” - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
24. Izay manantena ny hamonjen'I Allah azy amin'ny fahoriana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia aoka izy hanome fanamaivanana ho an'izay sahirana na hamela azy
عربي الإنجليزية الأوردية
25. Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”
عربي الإنجليزية الأوردية
26. “Amin’ny andron’ny fitsanganana amin’ny maty, ny mpino dia hanatona ny Tompony, ilay mahery sy be voninahitra, mandra-pametrahany ny saronany eo amboniny sy hiaiky ny fahotany
عربي الإنجليزية الأوردية
27. Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao
عربي الإنجليزية الأوردية
28. Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona
عربي الإنجليزية الأوردية
29. Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
30. “Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”
عربي الإنجليزية الأوردية
31. Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
32. Izahay namoaka Zakatol-Fitr tamin'ny fotoana nahateo an'ny Mpaminany (S.A.W) ka voadidy hamoaka izany avokoa ny zaza sy ny olon-dehibe, olona tsotra na andevo, swaa amin'ny sakafo na swaa amin'ny varim_bazaha na swaa amin'ny voaloboka na swaa amin'ny atrendry
عربي الإنجليزية الأوردية
33. Niara-nisakafo maraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nitsangana nivavaka izy avy eo, dia niteny aho hoe : Hafiriana no teo anelanelan'ny Azan sy ny sakafo maraina (Sohor)? Dia hoy izy namaly : Andininy masina dimampolo eo ho eo
عربي الإنجليزية الأوردية
34. Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany
عربي الإنجليزية الأوردية
35. Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
36. Aza mialoha ny Ramadany amin'ny fifehezana iray na roa andro, afa-tsy ny olona izay efa zatra nifehy dia aoka izy hifehy
عربي الإنجليزية الأوردية
37. “Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”
عربي الإنجليزية الأوردية
38. Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
39. “Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”
عربي الإنجليزية الأوردية
40. Niaraka nanao Eid tamin'i Omar bin Al-Khattab (R.A) aho, ka hoy izy : Ireo roa ireto no andro nandraran'ny irak'Allah ny fifehezana : ny andro hitsaharanareo amin'ny fifehezanareo, ary amin'ny andro hafa izay hihinananareo amin'ny fomba fanaonareo
عربي الإنجليزية الأوردية
41. Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka
عربي الإنجليزية الأوردية
42. Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany
عربي الإنجليزية الأوردية
43. Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
44. Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
45. Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany
عربي الإنجليزية الأوردية
46. “Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.” - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
47. Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba
عربي الإنجليزية الأوردية
48. Ireo mpaminany no nitondra ny Zanak'Isiraely, ka raha maty mpaminany iray dia tonga mandimby azy mpaminany hafa, ary tsy hisy intsony ny mpaminany handimby ahy, fa kosa hisy ireo mpandimby ahy hitondra azy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
49. Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny
عربي الإنجليزية الأوردية
50. Ny fanompoana ao anatin'ny vanom-potoan'ny korontana dia toy ny fifindra-monina mankaty amiko
عربي الإنجليزية الأوردية
51. Na iza na iza mpino silamo mangataka zavatra ka tsy nisy fahotana na fanapahana rohim-pihavanana ny fangatahany, afa-tsy hoe omen'I Allah azy ny iray amin'ireto zavatra telo ireto : Na ho valiany avy hatrany ilay hataka izany, na ho tehiriziny ho azy any ankoatra, na foanana amin'ny alàlan'izany ny ratsy saika hahazo azy mitovy ny halehibiazan'ny hataka nataony", hoy izy ireo : Raha izany dia ho ataonay betsaka ny hatakay? Dia namaly Izy hoe : "Allah no manana betsaka indrindra
عربي الإنجليزية الأوردية
52. Ny mpaminanin’I Allah (S.A.W) dia niteny tamin’ny fotoan’ny fahasarotana hoe : “Tsy misy tompo afa-tsy Allah, Ilay Lehibe, Ilay Mahari-po, tsy misy tompo afa-tsy Allah tompon'ilay seza fiandrianana lehibe, tsy misy tompo afa-tsy Allah Tompon’ny lanitra, Tompon’ny tany, Tompon’ny seza fiandrianana ambony”
عربي الإنجليزية الأوردية
53. Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe
عربي الإنجليزية الأوردية
54. “Raha manoaka ny anankiray aminareo, dia aoka hanapina ny vavany ny tànany, satria ny satana dia hiditra ao.”
عربي الإنجليزية الأوردية
55. “Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy” - 4 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
56. Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena
عربي الإنجليزية الأوردية
57. “Izay manaisotra ny zon’ny silamo amin’ny fianianana, dia efa nodidin’I Allah ho azy ny helo, ary norarany amin'ny Paradisa, dia hoy ny lehilahy iray taminy : Na dia zavatra kely aza izany ry irak’Allah? Hoy izy namaly : “Ary na dia ampahany kely aza.”
عربي الإنجليزية الأوردية
58. “Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”
عربي الإنجليزية الأوردية
59. I irak'Allah (S.A.W) dia niteny tamin'ny fiankohofany hoe : "Allah ô, mamelà ny fahotako rehetra, madinika sy lehibe, ny voalohany sy ny farany, ary ny ampahibemaso sy ny miafina - 8 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
60. Ny mpanozona dia tsy ho vavolombelona na mpanelanelana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty
عربي الإنجليزية الأوردية
61. Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny
عربي الإنجليزية الأوردية
62. “Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”
عربي الإنجليزية الأوردية
63. Ny irak'Allah dia nankatia kokoa ny vavaka maromaro amin'ny Doan, ary nandao ny ankoatr'izay
عربي الإنجليزية الأوردية
64. Ny fianianana dia mampandany entam-barotra, saingy manaisotra tombony
عربي الإنجليزية الأوردية
65. “Aza manompa na manozona ny rivotra, fa rehefa mahita izay halanao ianao, dia lazao hoe : Allah ô, mangataka aminao ny soa ho entin’ity rivotra ity izahay, ny soa amin’izay ao anatiny, ary ny soa ho an’izay nandidianao azy, Ary mangataka fiarovana aminao amin’ny faharatsian’ity rivotra ity sy ny faharatsian’izay ao anatiny ary ny faharatsian’izay nandidianao azy”
عربي الإنجليزية الأوردية
66. “Aoka tsy hiteny ny iray aminareo hoe : Allah ô, mamelà ahy raha sitrakao, mamindrà fo amiko raha sitrakao, manomeza ahy raha sitrakao”, ary aoka izy hamaly ny fangatahany, Izy dia manao izay sitrany fa tsy an-tery ” - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
67. “Faty antoka ho an'ny olona iray izay nilazana momba ahy teo anatrehany nefa tsy nivavaka ho ahy izy, ary faty antoka ho an'ny olona iray izay nahatra Ramadany ary niala ny Ramadany talohan’ny nahazoany famelan-keloka, ary faty antoka ho an'ny olona nahatratra ny ray aman-dreniny tamin'ny fahanterany ka tsy nampiditra azy any amin’ny Paradisa.”
عربي الإنجليزية الأوردية
68. tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany
عربي الإنجليزية الأوردية
69. “Inona no manjo ny olona izay niteny izao sy izao? Fa Izaho kosa mivavaka sy matory, mifady hanina sy misakafo ary manambady vehivavy, ka izay miala amin’ny fomba amam-panaoko dia tsy anisan'ny miara-dia amiko”
عربي الإنجليزية الأوردية
70. Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
71. Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf
عربي الإنجليزية الأوردية
72. “Izay mamangy marary ka mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesany, ka niteny impito ny Doan hoe : Mangataka amin’I Allah Tsitoha, Tompon’ny seza fiandrianana lehibe mba hanasitrana anao, Afa-tsy hoe sitranin'I Allah amin'izany aretina izany izy
عربي الإنجليزية الأوردية
73. “Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.” - 2 ملاحظة
عربي الإنجليزية الأوردية
74. Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra
عربي الإنجليزية الأوردية
75. “Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.
عربي الإنجليزية الأوردية
76. avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany
عربي الإنجليزية الأوردية
77. Any amin'ny Paradisa, ny mpino dia hanana lay vita amin'ny perla iray, enim_polo taona ny halavany, ary hivezivezy ao ireo mpino ka tsy hifankahita izy ireo
عربي الإنجليزية الأوردية
78. I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny
عربي الإنجليزية الأوردية
79. “Izay manana biby fiompy hataony sorona ka rehefa niditra ny volana Zolhijjah, dia aoka tsy hanala na inona na inona amin’ny volony na amin’ny hohony izy mandra-panaovany ilay sorona
عربي الإنجليزية الأوردية
80. Rehefa tonga ny Ramadany, dia misokatra ny vavahadin'ny Paradisa, mihidy ny vavahadin'ny helo, ary mifatotra ny devoly
عربي الإنجليزية الأوردية