عن المِقدام بن معدي كرب رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«إِذَا أَحَبَّ الرَّجُلُ أَخَاهُ فَلْيُخْبِرْهُ أَنَّهُ يُحِبُّهُ».

[صحيح] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي في الكبرى وأحمد] - [سنن أبي داود: 5124]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i AL-MIkDAD Ibn Maadi Karab (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :
" Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 5124]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) dia momba ny iray amin'ireo antony manamafy orina ny fifandraisan'ny mpino sy mampiparitaka ny fifankatiavana eo amin'izy ireo, dia ny hoe raha misy olona mitia ny rahalahiny dia aoka izy hilaza amin'ny rahalahiny fa tiany izy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hatsaran’ny fitiavana madio noho i Allah ilay Tsitoha, fa tsy noho ny tombontsoan’izao tontolo izao.
  2. Tsaratsara ny filazanao mivantana tsy miambahamba amin'ny Olona tianao nohon'i Allah ny fitiavanao azy, mba hampitombo ilay fitiavana sy ny fifankahazoana ao am-po.
  3. Ny fanaparitahana ny fifankatiavana eo amin’ny samy vahoaka Mpino dia fomba iray manamafy orina ny firahalahiana aram-pinoana ary izany koa dia tena hafaka miaro tanteraka ny fiaraha-monina manoloana ny fisaratsarahana sy ny fizarazarana.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (67)