Ny sokajy:
+ -


____

[] - []
المزيــد ...

Niteny Abou Mas'oudi, 'Okbato ibno 'Amri Al-Ansowaarii Al-badrii (R.A), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) dia nilaza hoe :
“Iray amin’ireo teny azon’ny olona avy tamin’ny tenin’ny faminaniana voalohany dia izao : ‘Raha tsy menatra intsony ianao, dia ataovy izay tianao.’ ”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [الأربعون النووية - 20]

Ny fanazavana

Nolazain'ny Mpaminany amintsika fa anisan'ireo hafatra avy amin'ireo mpaminany teo aloha ary nifandimbiasin'ny olona teo amin'ny samby izy ireo, ary nolovain'izy ireo tao anatin'ny taonjato maro nifandimby, mandra-pahatongany tamin'ny fiandohan'ity vahoaka ity, dia ny hoe: Jereo ny zavatra tianao hatao, ka raha zavatra tsy tokony hahamenatra anao izany, dia ataovy, ary raha zavatra tokony hahamenatra anao, dia avelao; Ny sakana amin’ny fanaovana asa ratsy dia ny henatra, ka izay tsy mahalala menatra dia manaram-po amin’ny fahalotoam-pitondran_tena sy ny asa ratsy rehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny henatrany no fototry ny fitondran-tena tsara.
  2. Ny henatrany dia iray amin'ireo toetran'ny Mpaminany, ary isan'ireo zavatra nolovaina avy tamin'izy ireo.
  3. Ny henatra no mahatonga ny mpino silamo hanao izay manaingo sy mandravaka, ary hanambela izay mandoto sy manala baraka.
  4. Nilaza i Al-Nawawi : “Ny didy etoana dia midika ho fanomezan-dalana fa azo atao, izany hoe : Raha te hanao zavatra ianareo, raha zavatra tsy mahamenatra anareo amin’I Allah na amin’ny olona izany, dia ataovy, raha tsy izany dia aza manao, ary izany ny fizotry ny finoana silamo, ary ny tari-dàlana amin’izany dia ny hoe izay nandidiana dia tsy maintsy atao sy atoro, ary mahamenatra ny miala amin’izany, ary izay voarara sy tsy tsara dia mahamenatra ny manao azy, ary ny amin’izay zavatra azo atao kosa, dia tsy maninona raha menatra amin’ny fanaovana azy, ary tahak'izany koa raha tsy manao azy, voarakitra ao anatin’ny hadith ny didy dimy, ary voalaza koa fa : Resaka fandrahonana izany, ary ny heviny dia : Raha nongotana taminao ny fahamenarana, dia ataovy izay tianao. Ho azoanao avy amin'I Allah ny vokatr'izany, ary voalaza koa fa hoe : Didy izay milaza hevitry ho fanambarana, izany hoe : Izay tsy menatra dia afaka manao izay tiany.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina اليونانية الأكانية Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny
Ireo sokajy
Fanampiny