عَنْ أَنَسٍ رضي الله عنه قَالَ:
جَاءَ رَجُلٌ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، مَا تَرَكْتُ حَاجَّةً وَلَا دَاجَّةً إِلَّا قَدْ أَتَيْتُ، قَالَ: «أَلَيْسَ تَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللهِ؟» ثَلَاثَ مَرَّاتٍ. قَالَ: نَعَمْ، قَالَ: «فَإِنَّ ذَلِكَ يَأْتِي عَلَى ذَلِكَ».
[صحيح] - [رواه أبو يعلى والطبراني والضياء المقدسي] - [الأحاديث المختارة للضياء المقدسي: 1773]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A), Niteny hoe :
Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ? " naveriny in-telo. dia Namaly Izy hoe : Eny, Niteny i Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : " izany dia mamafa Azy rehetra izany ".
[Mari-pototra] - [Notantarain'i Abo Ya'la sy Al-Tabaràni ary Al-Diya' Al-Makdisi] - [Hadith voafantina nisoratan'i Al-Dia Al-Maqdisi - 1773]
Tonga Lehilahy iray teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Irak'Allah, marina tokoa fa efa nanatanteraka ireo fahotana sy ny fahadisoana rehetra ny tenako, ka tsy misy navelako na kely na lehibe afa-tsy hoe nataoko avokoa izany, Ka moa ve ho hahazo famelan-keloka fona Aho ? Namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka Nilaza nanao hoe : Moa va tsy efa nijoro vavolombelona ianao fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah ary Mouhammadi (S.A.W) dia irakan'Allah ? Naverimberiny taminy in-telo izany, Ka hoy Izy Namaly hoe : Eny Mijoro vavolombelona marina Aho, Nilaza taminy i Mpaminany (S.A.W) fa ny fahasoavan'izany fijorona vavolombelona roa izany dia ny famafana ireo haratsiana, ary ny fibebana dia mamafa ireo rehetra teo aloha.