عن أبي هريرة رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«مَا نَقَصَتْ صَدَقَةٌ مِنْ مَالٍ، وَمَا زَادَ اللهُ عَبْدًا بِعَفْوٍ إِلَّا عِزًّا، وَمَا تَوَاضَعَ أَحَدٌ لِلهِ إِلَّا رَفَعَهُ اللهُ».
[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2588]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
" Tsy misy fanomezana natao na navoaka amin'ny hafa ka lasa nampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny Mpanompo iray ny Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo Aminy, ary tsy misy Olona manetry tena eo anatrehan'i Tompo Allah afa-tsy hoe vonona hanandratra Azy avo i Tompo Allah ."
[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2588]
Ny Mpaminany (S.W.A), dia manazava fa ny fanomezana sy famoahana ny harena na fananana dia tsy zavatra mampihena velively ny harena akory na dia kely aza, fa manafoana tanteraka ny ratsy, ary i Tompo Allah dia manonitra sy manolo ary manolotra manome Azy amin'ny hatsaram-panahy lehibe , ka izany dia milaza ny fitomboana fa tsy fampihenana.
Ny famelan-keloka, miaraka amin'ny fahafahana mamaly faty na mitazona azy ho tompon'andraikitra, dia anisany mampitombo ny hery sy fahamendrehana fotsiny.
Tsy misy Olona manetry tena ka manolotra ny Tenany ho an’i Tompo Allah fa tsy noho ny tahotra Olona, na noho ny fangorahana Azy, na noho ny fitadiavana fahasoavana avy Aminy, afa-tsy hoe ny fisandratana sy ny haja no valisoa hazony.