+ -

عن عبد الله بن عمر رضي الله عنهما قال:
سَمِعَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَجُلًا يَعِظُ أَخَاهُ فِي الْحَيَاءِ، فَقَالَ: «الْحَيَاءُ مِنَ الْإِيمَانِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 36]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A) niteny :
Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany (S.W.A), ka hoy Izy Taminy hoe : “ Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana ”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 36]

Ny fanazavana

Nandre lehilahy nanoro hevitra ny Rahalahiny i Mpaminany (S.W.A) mba hiala amin'ny fahamaotinana tafahoatra loatra ! kas dia Nohazavainy Taminy fa anisan’ny Finoana ny fahamaotinana, ary tsy mitondra afa-tsy ny soa ihany izany.
Ny fahamaotinana na ny henatra dia toe-tsaina mitarika ho amin’ny fanaovana ny Tsara sy ny fialana amin’ny Ratsy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny misakana Anao tsy hanao ny Tsara dia tsy atao hoe saro-kenatra, fa kosa atao hoe sarimbavy, fahalemena, ary kanosa.
  2. Ny Henatra na ny fahamaotinana eo anatrehan’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia azo avy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy sy ny fialana amin’ireo zavatra voarara.
  3. Ny Henatra na ny fahamaotinana eo amin’ny Olona dia ny fanajana azy ireo, ny fametrahana azy ireo amin’ny toerany ary ny fialana sy fiatahana amin’izay zavatra mahamenatra izay mazàna sy nahazatra.