+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيَقُلْ خَيْرًا أَوْ لِيَصْمُتْ، وَمَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيُكْرِمْ جَارَهُ، وَمَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيُكْرِمْ ضَيْفَهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 47]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 47]

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny Mpanompo izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany, izay hiverenany sy hahazoany valisoa amin'ny asany, dia ampirisihin'ny finoany mba hanao ireo toetra ireo :
Ny voalohany dia : Ny Teny tsara: avy amin’ny fiderana sy fanokanana an’i Tompo Allah, ny fibaikoana ny tsara, ny fandrarana ny tsy mety, ary ny fampihavanana ny Olona raha tsy manao izany Izy, dia tokony hangina, tsy hanisy ratsy Azy, ary hiaro ny lelany mba tsy hanao ireo zava-mamoampady.
Faha-roa : Ny Fanajana ny mpiara-belona: amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy Aminy fa tsy manisy ratsy Azy.
Faha-telo : Ny Manaja ny vahiny tonga mamangy Anao: amin’ny fitenenana amim-pahalemem-panahy, amin’ny fanomezana sakafo, sy ny toy izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Finoana an’i Tompo Allah sy ny andro farany no loharanon’ny Soa rehetra ary mandrisika ny olona hanao ny tsara.
  2. Fampitandremana amin'ny voka-dratsy ateraka avy amin'ny asany lela.
  3. Ny fivavahan'ny Silamo dia fivavahan'ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana.
  4. Anisan’ny sampan’ny Finoana sy ny fahalalam-pomba mendri-piderana ireo toetra ireo.
  5. Ny firesahana diso tafahoatra loatra dia mety hitarika amin’ny fanaovana zavatra ratsy matsiravina tsy tiana na zavatra voarara, ary ny tsy fitenenana afa-tsy ny amin’ny zavatra tsara no tena azo antoka indrindra.