+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«لَيْسَ الشَّدِيدُ بِالصُّرَعَةِ، إِنَّمَا الشَّدِيدُ الَّذِي يَمْلِكُ نَفْسَهُ عِنْدَ الْغَضَبِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6114]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Houraira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6114]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny tena tanjaka dia tsy ilay tanjakin'ny vatana, na koa ny hery aseho mba entina handresena ny olon-kafa, fa ny olona lazaina hoe matanjaka sy mahery dia izay mahavita mitazona sy miady mafy amin'ny tenany sy mandresy ny vatany ihany koa rehefa mirehitra ny fahatezerany. Satria izany dia tena Olona mampiseho ny tanjakany nohon'ny fifehezan-tena sy ny fandreseny an’i Satana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'ny fandeferana sy ny fifehezan-tena rehefa amin'ny fotoana tezitra, ary izay dia tafiditra ho anisan'ny asa soa izay ampirisihin'ny finoana Islam ny rehetra mba tokony hanana an'izany.
  2. Ny manohitra ny tena rehefa tezitra dia sarotra kokoa noho ny miady amin'ny fahavalo.
  3. Ny Finoana Islam dia manova ny foto-pisainana izay nisy talohan'ny nahatongavany finoana Islam ho fitondran-tena mendrika ka ny olona matanjaka indrindra dia izay mahafehy ny tenany sy ny vatany.
  4. Fahalavirana amin’ny fahatezerana; Noho ny fahavoazana aterany ho an’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina.