+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«أَتَدْرُونَ مَا الْغِيبَةُ؟»، قَالُوا: اللهُ وَرَسُولُهُ أَعْلَمُ، قَالَ: «ذِكْرُكَ أَخَاكَ بِمَا يَكْرَهُ»، قِيلَ: أَفَرَأَيْتَ إِنْ كَانَ فِي أَخِي مَا أَقُولُ؟ قَالَ: «إِنْ كَانَ فِيهِ مَا تَقُولُ فَقَدِ اغْتَبْتَهُ، وَإِنْ لَمْ يَكُنْ فِيهِ فَقَدْ بَهَتَّهُ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2589]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abu Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.W.A) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany» Hoy izy ireo hoe : ka ahoana raha misy amin'io rahalahiko io ilay zavatra nolazaiko. Namaly Izy (S.W.A) hoe : “Raha misy aminy tokoa izay nolazainao, dia efa nifosa azy ianao, fa raha tsy misy aminy kosa izany, dia efa nanendrikendrika azy ianao”.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2589]

Ny fanazavana

Manazava ny marina momba ny fifosana izay voarara ny Mpaminany (S.W.A), izy io dia : Fitenenana ny mpino silamo iray ny zavatra tsy tiany amin'ny tsy maha eo azy, na iray amin'ireo toetrany ara-moraly na voajanahary, toy ny : Toka-maso, mpamitaka, mpandainga, ary toetra hafa azo melohina, na dia efa ao aminy aza izany toetra izany.
Fa raha tsy ao aminy ilay toetra, dia ratsy kokoa noho ny fifosana izany, dia ny fanendrikendrena, izany hoe : manendrikendrika olona amin'ny zavatra tsy misy aminy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampianarana tsara avy amin'ny Mpaminany (S.A.W), rehefa nanolotra fampianarana tamin'ny alàlan'ny fametrahana fanontaniana.
  2. Fananan'ireo mpanaradia ny fitondran-tena tsara manoloana an'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niteny hoe : Allah sy ny Irany ihany no tena mahalala.
  3. Valitenin'ireo nanontaniana rehefa tsy mahafantatra dia ny hoe : Allah no tena mahalala.
  4. Fiarovana ny lalàna Islamika ho an'ny fiarahamonina amin'ny alàlan'ny fiarovana ny Zo sy ny firahalahiana eo amin'izy ireo.
  5. Voarara ny fifosana afa-tsy amin’ny toe-javatra sasany noho ny tombotsoa manokana. Tafiditra ao anatin’izany : fanakanana ny tsy rariny, ka ny voambaka no mitantara momba ilay nanambaka azy amin'ny olona mahavita manampy azy haka ny zony, ka miteny izy hoe : Nanambaka ahy ranona, na nanao an’izao sy izao tamiko, ary anisan’izany koa : Fifampidinihana mikasika ny fanambadiana, fifampizarana, na ny manodidina, sy ny sisa.