+ -

عن ابن عباس رضي الله عنهما
عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِيمَا يَرْوِي عَنْ رَبِّهِ عَزَّ وَجَلَّ قَالَ: قَالَ: «إِنَّ اللهَ كَتَبَ الْحَسَنَاتِ وَالسَّيِّئَاتِ، ثُمَّ بَيَّنَ ذَلِكَ، فَمَنْ هَمَّ بِحَسَنَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً، فَإِنْ هُوَ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ عِنْدَهُ عَشْرَ حَسَنَاتٍ إِلَى سَبْعِمِائَةِ ضِعْفٍ، إِلَى أَضْعَافٍ كَثِيرَةٍ، وَمَنْ هَمَّ بِسَيِّئَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً، فَإِنْ هُوَ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ سَيِّئَةً وَاحِدَةً».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6491]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i ibnO A'bbàs (R.A) niteny hoe :
Arakan’ny nilazain’ny Mpaminany (s.w.a), momba ny zavatra notantarainy tamin'ny fahefan'ny Tompony, ilay avo Tsitoha, dia Nilaza izy ka nanao hoe : "Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6491]

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia namaritra ny hatsarana sy haratsiana avy eo nanazava tamin'ireo anjely roa ny fomba hanoratana azy ireo :
Koa izay mikasa sy manapa-kevitra ny hanao asa soa, dia hosoratana mahazo valisoa iray, na dia tsy manao izany aza izy, fa raha nanao izany dia hampitomboina folo avo heny izany, na ho fiton-jato na ho maro mihoatra izany, ary ny fitomboana dia araka ny finiavana madio ao am-po mihoatra ny tombontsoa, ​​sy ny sisa.
Ary izay maniry sy mikasa ary manapa-kevitra ny hanao asa ratsy, avy eo mamela izany noho ny Tompo Allah, dia hosoratana asa soa iray, ary raha namela izany amin'ny tsy antony dia tsy hisy voarakitra an-tsoratra ho azy, ary raha miala amin’ny tsy fahafahany manao izany Izy, dia hosoratana araky ny fikasany, ary raha manao izany izy, dia asa ratsy iray no hosoratana ho azy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny fahasoavan’Allah lehibe amin’ity vahoaka ity amin’ny fampitomboana ny asa soa sy ny fanoratana izany ho azy, ary ny tsy fampitomboana ny asa ratsy.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fikasana amin'ny asa sy ny fiantraikany
  3. Ny fahasoavana sy ny fahatsorana ary ny hatsaram-panahin’i Allah ilay avo Tsitoha dia ny hoe : Izay mikasa ny hanao asa tsara nefa tsy manao izany dia raisin’Allah ho asa soa izany.