+ -

عن ابنِ عُمَرَ رضي الله عنهما قال: قال رسولُ الله صلَّى الله عليه وسلم:
«مَن تَشَبَّهَ بِقَوْمٍ فَهُوَ مِنْهُمْ».

[حسن] - [رواه أبو داود وأحمد] - [سنن أبي داود: 4031]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) Niteny : Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
"Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa. "

[Tsara] - [Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 4031]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa izay maka tahaka an'ireo vahoaka tsy manam-pinoana, na ireo olona sy vahoaka maloto fitondran-tena, na olo-marina - amin'ny fanaovana ireo zavatra izay mampiavaka azy ireo amin'ny finoana, na ny fanompoam-pivavahana, na ny fomba amam-panao - dia voasokajy ho anisan'izy ireo ihany koa. Satria ny fakana tahaka azy ireo ety ivelany dia mitarika ho amin’ny fanarahana azy ireo ao anaty, ary tsy isalasalana fa ny fanahafana ny olona iray dia vokatry ny fiderana, ary mety hitarika ho amin’ny fitiavana azy, hanome voninahitra azy, ary hiantehitra aminy, ary izany ihany koa dia mety hitarika ny olona iray hanahaka azy na dia ao anatiny aza amin'ny fanompoana - Sanatria anie izany -.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampitandremana fatratra ny mba tsy hitovizana amin'ireny olona tsy mpino ireny maloto fitondran-tena.
  2. Famporisihana ny mba hitovizana sy hanarahana ny olo-marina.
  3. Ny fakana tahaka ety ivelany ny olona sy zavatra iray dia lasa endrika iray miteraka fitiavana ao anaty.
  4. Iharan’ny fandrahonana sy ny fahotana ny olona iray araka ny fakahana tahaka an'ireo karazan-javatra hafa.
  5. Voarara ny maka tahaka an'ireo vahoaka tsy mpino amin’ny fivavahany sy amin’ny fomba amam-panaony, fa ny ankoatr'izany kosa dia tsy maninona, toy ny fianarana asa tànana sy ankoatra izany, dia tsy tafiditra ao anatin’ny fandrarana.