عَن عَبْدِ اللَّهِ بنِ مَسْعُودٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: كُنَّا مَعَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ:
«مَنِ اسْتَطَاعَ البَاءَةَ فَلْيَتَزَوَّجْ، فَإِنَّهُ أَغَضُّ لِلْبَصَرِ، وَأَحْصَنُ لِلْفَرْجِ، وَمَنْ لَمْ يَسْتَطِعْ فَعَلَيْهِ بِالصَّوْمِ، فَإِنَّهُ لَهُ وِجَاءٌ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1905]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdollah bin Masond (R.A) niteny izy: Niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay ka niteny izy manao hoe:
"Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1905]

Ny fanazavana

Namporisika ny Mpaminany (S.A.W) ireo izay afaka manao firaisana ara-nofo sy mamatsy ny tokatranom-banambadiana mba hanambady; Satria miaro ny masony amin’ny zavatra voarara izany, sy tena miaro ny taovam-pananahany, ary manakana azy tsy ho latsaka amin’ny fahalotoam-pitondran_tena. Ary izay tsy mahafeno ny fepetra takian'ny fanambadiana raha mbola afaka manao firaisana, dia aoka hifady hanina izy, satria izany dia hanapaka ny filan'ny fitaovam-pananahana sy filandratsin'ny tsirinaina.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana Islam dia mifantoka amin'ny antony mahatonga ny fahafehezan-tena sy ny fiarovana amin'ny fahalotoam-pitondran-tena.
  2. Manentana ireo izay tsy afaka manambady mba hifehy; Satria mampihena ny faniriana ara-nofo izany.
  3. Ny endrika fampitoviana ny fifehezana amin'ny fiarovana (widja) voalaza amin'ilay hadith, satria ny fiarovana dia manorotoro ny lalan-drà ao amin'ny "Testicules" ka lasa manjavona amin'ny alalan'ny fanjavonany ny hetaheta te hanao firaisana ara-nofo, dia tahaka izany koa ny fifehezana mampalefaka ny filana ara-nofo.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (51)