عَنِ الحُسَينِ بنِ عَلِيٍّ بنِ أَبِي طَالِبٍ رضي الله عنهما قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«الْبَخِيلُ مَنْ ذُكِرْتُ عِنْدَهُ فَلَمْ يُصَلِّ عَلَيَّ».
[صحيح] - [رواه الترمذي والنسائي في الكبرى وأحمد] - [السنن الكبرى للنسائي: 8046]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Al-Hossein Ibn Ali Ibn Abi Twalib (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny mahihitra dia izay nandre ny anarako voalaza teo anatrehany nefa tsy mivavaka ho ahy izy”.
[Mari-pototra] - - [Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì - 8046]
Nampitandrina ny Mpaminany amin'ny fanambelana ny vavaka ho azy raha vao nandre ny anarany, na ny anaram-bositra, na ny filazalazana azy, ka hoy izy : Ny olona mahihitra sy tena mahihitra indrindra dia izay nadre ahy voatonina teo anatrehany nefa tsy nandefa vavaka tamiko; izany dia amin'ireto manaraka ireto :
Voalohany : Mahihitra amin’ny zavatra iray izy ka tsy very na kely na be, ary tsy mandany vola na ezaka.
Faharoa : Mahihitra tamin’ny tenany izy ka tsy nahazo valisoa tamin’ny fivavahana ho an’ny irak’Allah. Satria tamin’ny fandrarana ny tsy hivavaka ho azy dia efa mahihitra sy tsy nanatanteraka ny zo tsy maintsy tanterahiny amin’ny fanarahana ny baiko sy hahazoana ny valisoa ho azy.
Fahatelo : Ny vavaka ho azy dia ny fanatanterahana ny sasany amin’ireo zon’ny Mpaminany (S.A.W), fa izy no nampianatra antsika, ary Izy no nitarika antsika, ary Izy no niantso antsika ho any amin’I Allah, ary nitondra antsika izao fanambarana sy izao lalàna izao, ka izy no anton’ny fitarihana antsika – aorian’I Allah. Ary izay tsy mivavaka ho azy, noho izany, dia mahihitra ny tenany izy, dia mahihitra tamin'ny Mpaminaniny (S.A.W) miaraka amin'ny zo iray amin'ny zony ambany indrindra.