+ -

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ عَمْرٍو رضي الله عنهما قَالَ: قالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«حَوْضِي مَسِيرَةُ شَهْرٍ، مَاؤُهُ أَبْيَضُ مِنَ اللَّبَنِ، وَرِيحُهُ أَطْيَبُ مِنَ المِسْكِ، وَكِيزَانُهُ كَنُجُومِ السَّمَاءِ، مَنْ شَرِبَ مِنْهَا فَلاَ يَظْمَأُ أَبَدًا».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6579]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe :
" Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk ny fofony, ary tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny zingany, ka izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6579]

Ny fanazavana

Nilaza i Mpaminany (S.W.A) fa hanana dobo izy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty, ny halavany dia mitovy amin'ny halaviran-dàlana iray volana ary mitovy amin'izany ihany koa ny sakany. Fotsy noho ny ronono ny ranony. Manitra be ny fofony, tsara noho ny hanitry ny Misky. Ary ny zingany dia tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra noho ny hamaroany. Izay misotro amin'io dobo lehibe io amin'ny alàlan'ireo zinga ireo dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina اليونانية Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny dobon'ny Mpaminany (S.W.A) dia fitambaran'ny renirano lehibe izay hierenan'ireo Mpino amin'ny vahoakany amin'ny Andro fitsanganana.
  2. Fahazahoana fahasoavana lehibe ho an'izay misotro amin'ny dobo ka tsy hangetaheta intsony mandrakizay.