+ -

عن أبي مسعود الأنصاري رضي الله عنه قال:
جَاءَ رَجُلٌ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: إِنِّي أُبْدِعَ بِي فَاحْمِلْنِي، فَقَالَ: «مَا عِنْدِي»، فَقَالَ رَجُلٌ: يَا رَسُولَ اللهِ، أَنَا أَدُلُّهُ عَلَى مَنْ يَحْمِلُهُ، فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «مَنْ دَلَّ عَلَى خَيْرٍ فَلَهُ مِثْلُ أَجْرِ فَاعِلِهِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1893]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abi Mas’ond (R.A) niteny manao hoe :
Nisy lehilahy tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Tsy manana fitoavam-pitaterana aho ka mba ento, hoy Izy : Tsy manana izany aho, ary nisy lehilahy iray niteny hoe : Ry Irakan'Allah ô ! Ambarako azy ny olona mety hitondra azy, Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay manoro làlana amin’ny tsara dia hahazo tahaka ny valisoa azon'ny manao izany ”.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1893]

Ny fanazavana

Nisy lehilahy tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Very ny biby fitengiko ka mba ento aho, ary omeo fiara hitondra ahy hahatongavako amin'ny toerana alehako, Dia niala tsiny taminy i Mpaminany (S.A.W), Satria tsy nanana na inona na inona hitondra azy, ka hoy ny lehilahy iray nanatrika teo hoe : “ Ry Irakan’Allah, ho tarihiko amin’izay hitondra azy avy izy? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) fa mpiara-miombonantoka amin'ilay mpanome swadaka izy amin'ny fahasoavana, Satria Izy no nanome sosokevitra ilay nitady izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Folianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana ny hanoro amin’ny Tsara.
  2. Ny famporisihana amin'ny fanaovana ny asa soa dia tafiditra ho anisany antony iray amin'ireo antony mahatonga ny firaisankina sy ny fifanampiana eo amin'ny fiarahamonina silamo.
  3. Ny halehibiazan'ny fahasoavan'i Allah ilay avo Tsitoha.
  4. Ny Hadith dia milaza drafitra fototra anin'ireo fitsipika ankapobeny, ka tafiditra ao anatin’izany ireo asa soa rehetra.
  5. Raha tsy mahavita manatanteraka ny fanirian'ny mpangataka ny Olona iray, dia tokony hiezaka manoro azy amin'ny Olon-kafa mety mahavita manatanteraka izany..