+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«دَعُونِي مَا تَرَكْتُكُمْ، إِنَّمَا هَلَكَ مَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ بِسُؤَالِهِمْ وَاخْتِلَافِهِمْ عَلَى أَنْبِيَائِهِمْ، فَإِذَا نَهَيْتُكُمْ عَنْ شَيْءٍ فَاجْتَنِبُوهُ، وَإِذَا أَمَرْتُكُمْ بِأَمْرٍ فَأْتُوا مِنْهُ مَا اسْتَطَعْتُمْ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 7288]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo , koa raha misy zavatra norarako anareo dia alaviro,fa izay nodidiko aminareo kosa dia ataovy arak'izay havitanareo azy".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 7288]

Ny fanazavana

Nitanisa ireo lalàna silamika ny Mpaminany (S.A.W) ka nizara izany ho sokajy telo, dia ireto avy : izay tsy nasiana resaka ny momba azy, sy ny nosakanana, ary ny nodidiana.
Ka ny voalohany dia : izay tsy voalazan'ny lalàna : izany hoe tsy misy lalàna momba azy, ary ny lalàna fototra momba ny zavatra rehetra dia ny tsy terena ny fanaovana azy; Raha ny tamin’ny fotoan'ny Mpaminany (S.A.W), dia takina ny tsy hametrahana fanontaniana momba ny zavatra tsy misy akory noho ny tahotra sao hisy didy na fandrarana momba azy, satria Allah namela izany noho ny famindram-po ho an’ny mpanompony. Ary raha aorian’ny fahafatesan'ny Mpaminany (S.A.W) kosa ka raha ny fanontaniana momba lalànan'ny finoana na ho fampianarana momba ny zavatra ilaina amin'ny finoana, dia azo atao ary asaina hanao izany mihitsy, ary raha ao anatin’ny endriky kitoatoa na tia hanontanitany fotsiny, dia izany no voalaza fa tsy tokony hanontaniana araka ny voarakitra amin'ity hadith ity; Satria izany dia mety hitarika ho toy ny zava-nitranga tamin'ny Zanak'Israely, rehefa nasaina namono omby vavy izy ireo, ka raha namono omby vavy izy ireo dia nahavita ny adidy, saingy hentitra izy ireo, ka nihatra tamin'izy ireo ny sazy entitra.
Ny faharoa : ireo fandrarana; Izy ireo dia : Hahazo valisoa izay namela azy, ary hahazo sazy izay mpanao azy, ka tsy maintsy ialana avokoa izany.
Ny fahatelo : Ireo didy; Izay manao izany dia mahazo valisoa, ary voasazy izay manambela azy, ka tsy maintsy atao izany araka izay vita.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria Somalianina Keniaroandia Romaniana Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tokony hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra sy izay ilaina isika, ary hiala avy hatrany amin'izay tsy ilaina, ary tsy ho variana amin’ny fanontaniana momba izay tsy nitranga.
  2. Voarara ny mametraka fanontaniana izay mety hanasarotra ny toe-draharaha sy hanokatra varavarana ho any amin’ny fisalasalana izay hiteraka tsy fitovian-kevitra betsaka.
  3. Ny baiko mba hialana amin'ny voarara rehetra; Satria tsy misy fahasarotana ny fialana amin'izany, ary izany no nahatonga ny fandrarana amin'ny endrika ankapobeny.
  4. Baiko amin'ny hanatanterahana izay nandidiana arak'izay vita; Satria mety hisy fahasarotana ny amin'izany na koa tsy fahavitana azy; Noho izany dia natao araka izay vita.
  5. Fandrarana ny amin'ny fametrahana ny fanontaniana be loatra, efa nozarain'ireo manam-pahaizana ho roa ny fanontaniana : Ny iray amin'izy ireo: Izay fanontaniana rehetra napetraka noho ny fianarana ny zavatra ilaina momba ny finoana, takina ny hanaovana izany, ary tahaka izany ny fanontaniana nataon'ireo Mpanaradia (sahaba). Ary ny faharoa : Izay miendrika di-doha sy hanihany, ary izany ilay voarara.
  6. Fampitandremana an’ity vahoaka ity amin’ny tsy fankatoavana ny Mpaminaniny, toy ny nitranga tamin’ireo vahoaka teo alohany.
  7. Ny fanontaniana be loatra ka tsy ilaina sy ny fifandirana amin'ireo Mpaminany dia miteraka fahapotehana, indrindra amin'ny zavatra tsy takatra, toy ny: resaka momba ny zava-miafina tsy hita maso izay tsy misy mahafantatra azy afa-tsy Allah irery ihany, sy ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany.
  8. Fandrarana ny amin'ny fametrahana fanontaniana amin'ny raharaha sarotra, niteny Al-Aoza'i : Raha te hanaisotra ny fahasoavan'ny mpanompony amin'ny fahalalàna izy, dia alefany amin'ny lelany ny fifangaroana dia ho hitanao izy fa olona faran'izay kely fahalalana, ary hoy i Ibn Wahab : Izaho nandre an'i Malik niteny manao hoe : Ny fireharehana amin'ny fahalalana dia manala ny fahazavan'ny fahalalana ao am-pon'ny olona.