عَنْ أَبِي ذَرٍّ، جُنْدُبِ بْنِ جُنَادَةَ، وَأَبِي عَبْدِ الرَّحْمَنِ، مُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا عَنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«اتَّقِ اللَّهَ حَيْثُمَا كُنْت، وَأَتْبِعْ السَّيِّئَةَ الْحَسَنَةَ تَمْحُهَا، وَخَالِقْ النَّاسَ بِخُلُقٍ حَسَنٍ».
[قال الترمذي: حديث حسن] - [رواه الترمذي] - [الأربعون النووية: 18]
المزيــد ...
Niteny Abo Zarr, Jondobo ibn Jonàdah, sy Abo 'Abdir-rahmàni, Mo'àz ibn Jabal (RA), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) dia Nilaza ka nanao hoe :
"Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika".
[قال الترمذي: حديث حسن] - [Notantarain'i Al-Tirmizì] - [الأربعون النووية - 18]
Nandidy zavatra telo i Mpaminany (S.W.A) : Voalohany dia : Ny fatahorana an'i Tompo Allah, izay tratrarina amin'ny alàlan'ny fanaovana ireo zavatra voadidy fa tsy maintsy atao sy ny fialana tanteraka amin'ireo zavatra rehetra voarara, na aiza na aiza, na amin'ny fotoana inona na amin'ny toe-javatra inona, na miafina na mibaribary ampahibemaso, na amin'ny fotoam-piadanana na amin'ny fahasahiranana, sy ny sisa. Faha-roa : Izany hoe raha manao fahotana ianao dia manaova asa soa avy hatrany aorian'izany, toy ny fanaovana ny vavaka soalat, fiantrana, hatsaram-panahy, fanohizana ny fifamatorana ara-pianakaviana, fibebahana, sy ny sisa, Satria izany no fomba mahomby etina hamafa ny fahotana sy ny fahadisoana. Faha-telo : Miarà-miasa ny amin' Olona amin'ny fomba sy toetra tsara feno hatsarana, toy ny mitsikitsiky Aminy, maneho ny hatsaram-panahy sy fahalemem-panahy, manao asa soa ary miala amin'ny fanaovana ny ratsy.