عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنين رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا، قَالَتْ:
مَا رَأَيْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مُسْتَجْمِعًا قَطُّ ضَاحِكًا، حَتَّى أَرَى مِنْهُ لَهَوَاتِهِ، إِنَّمَا كَانَ يَتَبَسَّمُ.

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6092]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha renin'ny mpino silamo (R.A), niteny :
Tsy mbola nahita an'ny Mpaminany (S.A.W) nihomehy mafy aho, ka tazana avokoa ny ati-vavany, fa izy kosa dia mitsiky lalandava.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6092]

Ny fanazavana

Nitatitra i Aisha fa tsy mbola nihomehy loatra ny Mpaminany (S.A.W) ka tazana ny ati-vavany, izay nofo miraikitra amin'ny tampon-tenda, fa izy kosa dia zatra mitsiky.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fihomehezan'ny Irak'Allah (S.A.W) dia tsiky mahafinaritra rehefa afa-po na nankatia zavatra iray.
  2. Hoy i Ibn Hajar : Tsy nahita azy nihomehy aho ka hihomehy tanteraka ary nanomboka nihomehy tanteraka.
  3. Tsy anisan’ny toetran’ny olo-marina ny mihomehy be sy mampiaka-peo amin’ny fihomehezana.
  4. Ny fihomehezana tafahoatra dia manimba ny laza sy ny fahamendrehan'ny olona eo amin'ny rahalahiny.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (47)