عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضيَ اللهُ عنهما أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَقُولُ:
«اللهُمَّ لَكَ أَسْلَمْتُ، وَبِكَ آمَنْتُ، وَعَلَيْكَ تَوَكَّلْتُ، وَإِلَيْكَ أَنَبْتُ، وَبِكَ خَاصَمْتُ، اللهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِعِزَّتِكَ، لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ أَنْ تُضِلَّنِي، أَنْتَ الْحَيُّ الَّذِي لَا يَمُوتُ، وَالْجِنُّ وَالْإِنْسُ يَمُوتُونَ».
[صحيح] - [متفق عليه، وهذا لفظ مسلم ورواه البخاري مختصرًا] - [صحيح مسلم: 2717]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".
[Mari-pototra] - - [Sahìh Moslim - 2717]
Iray amin'ireo fitalahoan'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : (Allah ô, nanetry tena Aminao aho) ary nanaiky, (ary nino Anao aho) ary nino sy nanamafy, (Aminao no ametrahako ny fitokiako) ary nanankinana sy nianteherako, (Ary ianao no ibebahanako) ary niverenako sy noekeko, (Ary taminao no nifamaliako) ary nifandirako tamin’ny fahavalonao, (Allah ô, izaho mangataka fialofana aminao) miverina aminao, (amin’ny voninahitrao), amin’ny fiarovanao sy amin’ny fandresenao. (Tsy misy andriamanitra afa-tsy Ianao) ary tsy misy ivavahana marina afa-tsy Ianao, (izay mamitaka ahy) hizotra amin’ny fitarihana sy ny fahombiazana ho amin’ny fahafaham-ponao, (Ianao no Ilay Velona tsy maty) ary tsy ho levona, (ary maty avokoa ny jiny sy ny olombelona).