1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Resaka Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany

عَنْ أَنَسٍ رَضيَ اللهُ عنهُ قَالَ:
ضَحَّى النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بِكَبْشَيْنِ أَمْلَحَيْنِ أَقْرَنَيْنِ، ذَبَحَهُمَا بِيَدِهِ، وَسَمَّى وَكَبَّرَ، وَوَضَعَ رِجْلَهُ عَلَى صِفَاحِهِمَا.

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy :
Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5565

Ny fanazavana

Nitatitra i Anas (R.A) fa namono ondrilahy roa misy tandroka fotsy mifangaro mainty tamin'ny tànany ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny andron'ny Eid al-Adha ary niteny izy hoe : Amin'ny anaran'I Allah sy Allah lehibe indrindra (bismillah wa Allah Akbar), dia nataony teo amin'ny vozony ny tongony.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha ara-dalàna ny sorona, ary ny silamo rehetra dia niombon-kevitra tamin'izany.
  2. Ny tena tsara indrindra amin'ny fanaovana sorona dia toy ny karazana sorona nataon’ny Mpaminany (S.A.W); Noho izy tsara endrika ary ny taviny sy ny nofony tsara kokoa.
  3. Nilaza i Nawawi : Maneho izany fa tsara kokoa raha ny olona iray no mandray andraikitra amin'ny fanapahana ny soronany, fa tsy manankina ny fanapahana izany amin'ny olon-kafa, afa-tsy hoe manana fialan-tsiny, ary amin'izany toe-javatra izany dia tsara ho azy ny manatrika mijery ny famonoana azy, ary raha nametraka mpino iray solon-tenany izy dia azo atao tsy misy fanoherana.
  4. Nilaza i Ibn Hajar : Maneho izany fa tsara raha miteny “Allaho Akbar” sy manonina ny anaran'I Allah eo am-panapahana, ary tsara ny mametraka ny tongotra eo amin'ny soroka amin'ny tendany havanana, ary niombon-kevitra ny rehetra fa ny fomba fampandriana azy dia manindry ny ilany ankavia ka apetrany eo amin’ny ilany ankavanana ny tongony, mba ho mora kokoa amin’ny mpamono ny haka ny antsy amin’ny ankavanana sy hihazona ny lohany amin’ny tanany havia.
  5. Tsara ny manao sorona biby misy tandroka, nefa azo atao koa ny manao ankoatr'izay.

Fanehoana ny dikan-teny

53 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية