+ -

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنِينَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا أَنَّهَا قَالَتْ:
يَا رَسُولَ اللَّهِ، نَرَى الجِهَادَ أَفْضَلَ العَمَلِ، أَفَلاَ نُجَاهِدُ؟ قَالَ: «لَا، لَكُنَّ أَفْضَلُ الجِهَادِ: حَجٌّ مَبْرُورٌ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 1520]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha renin'ny mpino (R.A) niteny manao hoe :
Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 1520]

Ny fanazavana

Ireo mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W) dia nihevitra fa ny ady masina amin'ny làlan'Allah sy ny ady ato amin'ny fahavalo no asa tsara indrindra, Koa nangataka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) i Aisha (R.A) mba hanao ady masina?
Dia nanoro làlana azy ireo i Mpaminany (S.A.W) fa ny ady masina tsara indrindra amin'ireo vehivavy dia ny Hajj madio izay mifanaraka amin'ny boky masina sy ny sonna, tsy nisy fahotana sy fireharehana.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny ady masina dia iray amin'ireo asa tsara indrindra ho an'ny lehilahy.
  2. Ny Hajj ho an'ny vehivavy dia tsara kokoa noho ny ady masina, ary iray amin'ireo asa tsara indrindra ho azy ireo izany.
  3. Miovaova arakaraka ny mpanao azy ny asa ny valisoan'ny fanompoana.
  4. Ny Hajj dia nantsoina hoe ady masina; Satria io dia ady ho an'ny fanahy, ary manao sorona amin'ny vola, tanjaka ho an'ny vatana, noho izany ny Hajj dia fanompoana ara-batana sy ara-bola toy ny ady masina amin'ny làlan'Allah.