1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Resaka Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko

عَنْ أَنَسٍ رضي الله عنه قَالَ:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يُكْثِرُ أَنْ يَقُولَ: «يَا مُقَلِّبَ القُلُوبِ ثَبِّتْ قَلْبِي عَلَى دِينِكَ»، فَقُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، آمَنَّا بِكَ وَبِمَا جِئْتَ بِهِ فَهَلْ تَخَافُ عَلَيْنَا؟ قَالَ: «نَعَمْ، إِنَّ القُلُوبَ بَيْنَ أُصْبُعَيْنِ مِنْ أَصَابِعِ اللهِ يُقَلِّبُهَا كَيْفَ يَشَاءُ».

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A), Niteny manao hoe :
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko.", dia hoy aho hoe : O ry irak'Allah! Mino an'I Allah izahay sy izay noentinao ka matahotra ny aminay ve ianao? Namaly izy (S.A.W) : “Eny, ny fo dia eo anelanelan’ny rantsantanan’I Allah roa ka avadibadiny arak'izay tiany".

Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad Sonan At-Tirmizì - 2140

Ny fanazavana

Ny ankamaroan'ny fitalahoan'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny mangataka amin'i Allah ny amin'ny fiorenana mafy amin'ny finoana sy ny fankatoavana ary ny fanalavirana ny fivilian-dàlana sy ny fahaverezana, Talanjona i Anas bin Malik (R.A) tamin'ny fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) izany fitalahoana izany matetika, ka nilaza taminy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fo dia eo anelanelan'ny rantsan-tànan'I Allah roa, ary mamadika izany araka izay sitrany Izy. Ny fo no foibe itoeran'ny finoana sy ny fikomiana, ary ny fo dia mivadibadika matetika. Ny fo dia mivadibadika mihoatra ny rano mangotraka ao anaty vilany, ka izay tian'Allah dia hahitsiny amin'ny fahistiana ny fony, ary hatsatony ao anaty finoana, fa izay tian'Allah avily amin'ny fahitsina kosa dia mivily makany amin'ny fahaverezana.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fiambanin'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Tompony sy ny fitalahoany Aminy ary ny fitarihana ny vahoaka mba hangataka toy izany.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana sy ny fitsatohana ao amin'ny finoana, ary ny fihafarana no tena zava-dehibe.
  3. Ny mpanompo dia tsy mahaleo-tena amin'ny fanamafisan'i Allah azy amin'ny finoana silamo na dia indray mipi-maso aza.
  4. Famporisihana amin'ny famerenana im-betsaka io fitalahoana io, ho fakan-tahaka ny Mpaminany (S.A.W).
  5. Ny fikirizana amin'ny finoana silamo no fitahiana lehibe indrindra tokony hiezahan'ny mpanompo sy hisaorany ny Tompony noho izany.

Fanehoana ny dikan-teny

53 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية