+ -

عن عبد الله بن عمرو رضي الله عنهما قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«يقالُ لصاحبِ القرآن: اقرَأ وارتَقِ، ورتِّل كما كُنْتَ ترتِّل في الدُنيا، فإن منزِلَكَ عندَ آخرِ آية تقرؤها».

[حسن] - [رواه أبو داود والترمذي والنسائي في الكبرى وأحمد] - [سنن أبي داود: 1464]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Ibn Amro (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka manao hoe :
“ Holazaina amin’izay Mpamaky ny Boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena Anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay Vakinao ”.

[Tsara] - [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 1464]

Ny fanazavana

Nilaza sy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa holazaina amin'ny Mpamaky ny Boky masina Koroany, sy ny Mpampihatra izay rehetra voalaza ao anatiny, ny tsy hitsaharany eo amin'ny famakina ny Boky masina Koroany sy fanaovana tsianjery Azy rehefa miditra ny Paradisa : Vakio ny Boky masina Koroany, ary miakara amin'ny ambaratonga ao amin'ny Paradisa Ianao, ary Vakio miadana tsara am-pitoniana, fa ny toerana hametrahana Anao dia eo amin'ny toerana farany izay Vakinao ao amin'ny Boky masina Koroany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina Okranianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny valisoa dia miankina amin'ny habetsahan'ny Asa sy ny Kalitaony.
  2. Famporisihana ny hamaky ny Boky masina KOROANY, hifehy Azy, hanao tsianjery, hisaintsaina izay rehetra voalaza ary hampihatra izay rehetra voarakitra ao.
  3. Ny Paradisa dia misy rihana maro sy ambaratonga, fa Olon'ny Boky masina Koroany dia hahazo ny ambaratonga avo indrindra.