1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Resaka aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika

عَنْ مُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ رضي الله عنه:
أَنَّ رَسُولَ صَلَّى عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَخَذَ بِيَدِهِ، وَقَالَ: «يَا مُعَاذُ، وَاللَّهِ إِنِّي لَأُحِبُّكَ»، فَقَالَ: «أُوصِيكَ يَا مُعَاذُ لَا تَدَعَنَّ فِي دُبُرِ كُلِّ صَلَاةٍ تَقُولُ: اللَّهُمَّ أَعِنِّي عَلَى ذِكْرِكَ وَشُكْرِكَ وَحُسْنِ عِبَادَتِكَ».

Tatitra azo avy tamin'i Moaz bin Jabal (R.A) niteny hoe :
Noraisin'i Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny tànany aho ary niteny izy hoe : "Ry Moaz, mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao", avy eo dia niteny hoe : Mametraka hafatra aminao aho ry Moaz aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika".

Mari-pototra رواه أبو داود والنسائي وأحمد Sonan Abo Daòd - 1522

Ny fanazavana

Noraisin'ny Mpaminany (S.A.W) ny tànan'i Moaz (R.A) ary niteny taminy izy hoe : Mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao, ary manoro hevitra anao aho, ry Moaz, mba tsy hitsahatra ny hiteny amin'ny faran'ny vavaka rehetra ny hoe : (Allahoumma Ainni Alaa Zikrika) - izay midika hoe : Allah ô! Ampio aho hahatsiaro Anao - amin’ny teny sy ny asa rehetra izay mampanakaiky ahy amin’ny fankatoavana. (Wa shokrika) -izay midika hoe: ary fisaorana Anao- noho ny fahazoana fahasoavana sy ny fiarovanao amin'ny valifaty, (Wa hosni ibadatika) -izay midika hoe: ary mpanomponao mendrika- amin’ny fahahadiovam-po amin’I Allah sy ny fanarahana ny Mpaminany (S.A.W).

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Azo atao ny milaza amin’ny olona ny fitiavany azy noho ny tompo Allah.
  2. Tsara ny manao izany Doan izany aorian’ny vavaka tsy maintsy atao sy ny an-tsitrapo.
  3. Ny Doan amin’ireo teny vitsy ireo dia maha tanteraka ny ilaina eto an-tany sy ny any ankoatra.
  4. Anisan’ny soa azo avy amin’ny fifankatiavana noho ny tompo Allah dia ny fafanorohana hevitra amin'ny fahamarinana, ny fifanomezan-tànana, ary ny fiaraha-miasa amin’ny tsara sy ny fatahorana an'I Allah.
  5. Nilaza i At-Twayibi : Ny fahatsiarovana an'I Allah no fiandohan'ny fisokafan'ny fo, ary ny fisaorana Azy no fomba ahazoana fitahiana, ary ny tena vavaka tsara izay takiana dia ny mba hialana amin'izay mampiala azy amin'I Allah Ilay Tsitoha.

Fanehoana ny dikan-teny

50 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية