+ -

عَنْ عَائِشَةَ رضي الله عنها قَالَتْ:
كَانَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَسْتَحِبُّ الْجَوَامِعَ مِنَ الدُّعَاءِ، وَيَدَعُ مَا سِوَى ذَلِكَ.

[صحيح] - [رواه أبو داود وأحمد] - [سنن أبي داود: 1482]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), Niteny manao hoe :
Ny irak'Allah dia nankatia kokoa ny vavaka maromaro amin'ny Doan, ary nandao ny ankoatr'izay.

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 1482]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nankatia ny fitalahoana feno ho an'ny soa eto an-tany sy ny any ankoatra, izay misy teny vitsy nefa lehibe ny dikany, ary misy fiderana an'I Allah Tsitoha sy tanjona tsara, ary izy namela ny zavatra hafa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny mitalaho amin’ny teny tsotra izay mahafaoka ny dikan’ny fahatsarana, ary tsy nankahala ny fampiadina sy ny mampisara-bazana amin’ny raharaha iray, izay mifanohitra amin’ny fitarihan’ny Mpaminany (S.A.W).
  2. Nanokana teny feno i Mpaminany (S.A.W).
  3. Fifikirana amin'izay voaporofo fa nataon'ny Mpaminany (S.A.W) sy izay nangatahany; Na dia lava sy misy teny maro aza, dia iray amin'ireo fitalahoana feno.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny