+ -

عَنْ أَبِي مُوسَى رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَثَلُ الَّذِي يَذْكُرُ رَبَّهُ وَالَّذِي لاَ يَذْكُرُ رَبَّهُ، مَثَلُ الحَيِّ وَالمَيِّتِ»، ولفظ مسلم: «مَثَلُ الْبَيْتِ الَّذِي يُذْكَرُ اللهُ فِيهِ، وَالْبَيْتِ الَّذِي لَا يُذْكَرُ اللهُ فِيهِ، مَثَلُ الْحَيِّ وَالْمَيِّتِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6407]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny olona mahatsiaro ny Tompony sy ny tsy mahatsiaro ny Tompony dia ohatry ny velona sy ny maty" Amin'ny fitantaran'i Moslim dia miteny izy hoe : Ny trano nahatsiarovana an'I Allah sy ny trano tsy nahatsiarovana azy, dia tahaka ny velona sy ny maty”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 6407]

Ny fanazavana

Nohazavain’ny Mpaminany (S.A.W) ny maha-samihafa ny mahatsiaro an’I Allah ilay Tsitoha sy ny tsy mahatsiaro Azy, ary toy ny maha-samihafa ny velona sy ny maty izany amin’ny tombotsoany sy ny bika aman’endriny. Ny ohatry ny mahatsiaro ny Tompony dia tahaka ny olona velona izay voaravaka ny fahazavan’ny fiainana ny ivelany, ary ny ao anatiny dia misy ny fahazavan’ny fahalalana, ary ao anatin’izany no misy ny fanoharana momba ny maty izay ny ivelany zava-poana ny endriny, fa zava-poana ny endriny ivelany, ary tsy misy mahasoa azy.
Toy izany koa, ny trano iray dia lazaina ho velona raha mahatsiaro an’I Allah ny mponina ao aminy. Raha ny velona sy ny maty no ilazana ny trano dia ny mponina ao an-trano no tiana ho lazaina.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamporisika ny fahatsiarovana an’I Allah sy mampitandrina ny tsy firaharahana Azy.
  2. Ny Zikr dia fiainan'ny fanahy, toy ny fiainan'ny vatana ny fanahy.
  3. Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny fametrahany ireo ohatra maro samy hafa mba hampifanakaiky sy hampazava kokoa ny dikanin-javatra.
  4. Hoy i Al-Nawawi : Tafiditra ao anatin'izany ny fanolorana ny fahatsiarovana an'I Allah Tsitoha ao an-tokantrano, ary tsy tokony hatao tsinontsinona izany.
  5. Hoy i Al-Nawawi : Izy io dia manondro fa ny fiainana lava amin'ny fankatoavana dia hatsarana, na dia mizotra mankany amin'ny tsara aza ny maty. Satria mifikitra aminy ny velona ka mampitombo azy amin’ny asa fankatoavana izay ataony.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Romaniana Hongariana الموري Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny