+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صلَّى الله عليه وسلم قال:
«ما مِنْ أحَدٍ يُسلِّمُ علي إلا ردَّ اللهُ عليَّ رُوحي حتى أردَّ عليه السَّلامَ».

[إسناده حسن] - [رواه أبو داود وأحمد] - [سنن أبي داود: 2041]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) :
"Tsy misy olona miarahaba ahy afa-tsy hoe haverin'I Allah amiko mba hamaliako ny fiarahabany".

[Tsara ny fampitana] - [Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad] - [Sonan Abo Daòd - 2041]

Ny fanazavana

Nilaza i Mpaminany (S.A.W) fa haverina aminy ny fanahiny mba hiarahabany izay rehetra miarahaba azy, na akaiky na lavitra; ny fiainan'ny barzakh sy ny ao am-pasana dia raharaha tsy hita maso, ary Allah irery ihany no mahalala ny maha-izy azy, ary Izy no mahay ny zava-drehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamporisika ny fandefasana ny vavaka sy ny fiarahabana betsaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W).
  2. Ny fiainan’ny Mpaminany (S.A.W) ao am-pasana no fiainana feno indrindra azon’ny olombelona iainana ao amin’ny barzakh, satria tsy misy mahalala ny fahamarinany afa-tsy Allah ilay Tsitoha.
  3. Ny hadith dia tsy porofo ho an'ireo milaza fa ny fiainan'ny irak'Allah (S.A.W) dia fiainana tahaky ny iainantsika, mba tsy ataon'ireo mpanompo sampy ho porofo hitadiavana famonjena aminy, Fa kosa, fiainana barzakh izany.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Aldoria serbianina Keniaroandia Romaniana Hongariana الموري Oromianina Kanadianina Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny