+ -

عَن أَبي عَبْدِ اللهِ الْجَدَلِيِّ قَالَ: سَأَلْتُ عَائِشَةَ أُمِّ المؤْمنينَ رَضيَ اللهُ عنها عَنْ خُلُقِ رَسُولِ اللهِ صلى الله عليه وسلم فَقَالَتْ:
لَمْ يَكُنْ فَاحِشًا وَلَا مُتَفَحِّشًا وَلَا صَخَّابًا فِي الْأَسْوَاقِ، وَلَا يَجْزِي بِالسَّيِّئَةِ السَّيِّئَةَ وَلَكِنْ يَعْفُو وَيَصْفَحُ.

[صحيح] - [رواه الترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 2016]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Abdallah Al-Jadali niteny hoe : Nanontany an'i Aisha, renin'ny mpino silamo aho, momba ny toetran'ny irak'Allah (S.A.W), dia hoy izy namaly :
Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra.

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad] - [Sonan At-Tirmizì - 2016]

Ny fanazavana

Nanontaniana momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) i Aisha (R.A), renin'ny mpino, dia namaly izy : Tsy tao amin'ny toetrany ny vetaveta sy faharatsiana na tamin'ny teniny na asa nataony, ary tsy nanao vetaveta na ninia nanao izany izy, ary tsy mpitabataba nampiaka-peo teny an-tsena, ary tsy namaly ratsy amin'ny ratsy. Fa mamaly amin’ny asa soa Izy, mamela heloka ao anaty, mandefitra ary miala amin’izany ety ivelany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana momba ny fitondran-tena ambony nananan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny halavirany amin'ny fitondran-tena tsy mendrika.
  2. Famporisihana hampihatra fitondran-tena tsara sy hialana amin'ny fitondran-tena ratsy.
  3. Fanamelohana ny teny vetaveta sy ny teny ratsy.
  4. Ny fampiakarana ny feo sy ny fitabatabana amin'ny olona dia voaheloka.
  5. Famporisihana ny hamaliana ny ratsy amin'ny tsara sy ny famelana ary fandeferana.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny